Olon-dehibe mijoro amin’ny finoana sy fanantenana Kristianina, hampanjaka ny fahamarinana sy ny fitiavana eo amin’ny fiaraha-monina sy ny tontolo iainana. Rom 5,5
LOT IVG 199 - Nouvel immeuble CNPC Antanimena – Porte 09
Tél. 034 18 009 70 | E-mail : vpklmdg@gmail.com
Misokatra ho an’ny mpamokatra T-shirt sy Polo
Daty namoahana ny tolo-bidy : 19/05/2025
Daty farany fandraisana ny tolotra : 27/05/2025
Mpisehatra voakasika : mpisehatra matihanina amin’ny famokarana T-shirt sy Polo manerana ny Nosy
Ny Vovonam-pirenena Katolikan’ny Lehibe – VPKL sy ny Komitin’ny Serasera amin’ny JNA MADA II dia manao antso ho an’ireo mpisehatra matihanina amin’ny famokarana T-SHIRT sy POLO vonona hiara-miasa amin’ny fanatontosana ny JNA MADA II « andro nasionalin’ny olon-dehibe » izay hotanterahina any amin’ny Diosezy Morondava ny 28-29-30-31 Aogositra 2025.
Ity antso ity dia misokatra ho an’ireo mpisehatra matihanina rehetra manana traikefa sy fahaiza-manao amin’izany sehatra izany.
1 - Ny tolotra ilaina: Famokarana POLO sy T-shirt ofisialin’ny JNA MADA II
Akanjo | Lamba / Lanja | Loko | Impression | Taille | Isa ilaina |
---|---|---|---|---|---|
T-Shirt | 100% coton, 180g | Fotsy ranoray, col rond Gris clair ranoray, col rond | Anoloana : logo 8cm sisin’ny tratra ankavia Aoriana : logo 20cm | Taille gasy | 8000 |
Polo | 100% coton, 220g | Fotsy ranoray col gris foncé Gris clair ranoray | Anoloana : logo 8cm sisin’ny tratra ankavia Aoriana : logo 20cm + Surpiqures manche & encolure | Taille gasy | 8000 |
Ny orinasa tsy mahazo « avance ». Ny fandoavam-bola dia atao aorian’ny fanamarinana ny livraison, izay atrehin’ny solontenan’ny VPKL sy ilay orinasa. Ireo entana tsy mifanaraka amin’ny bon de commande sy santionany dia haverina.
Ny tolotra dia alefa amin’ny adiresy mailaka :
communication-jna2025@katolika.net
A/toa na R/toa Tompon’andraikitry ny Commission Communication JNA MADA II
27/05/2025 amin’ny 6 ora hariva