Arabaina isika mianakavy amin’izao alahady faha siviambinifolo tsotra mandavantaona izao.
Tsy mba sasatra ary, tsy mikely soroka tokoa i Jesoa Kristy mampianatra antsika sy manoro antsika ny tokony atao araka ny voalazany ao amin’ny Evanjely androany.
Mandalo tokoa manko isika eto amin’ity fiainana ity, mpivahin’ny Fanantena.
Ary izany fanatenana ny fiainana any ankoatra izany no isan’ny vatsy lehibe tsara ho entina eo amin’ny fiainana andavan’andro ry Kristianina mba ho fiomanana amin’ilay mandrakizay. Tsy afaka misaraka amin’ny finoana anefa izany, dia ilay finoana velona ao anatintsika, finoana an’Andriamanitra mahefa ny zavtra rehetra tokoa. Tsarovy fa Raha manao zavtra tsy ampinoana isika dia toa zavapoana tsy misy dikany.
Noho izany raha tsy ao amintsika ireo finoana sy fanatenana ireo dia ho zavapoana ny asa fiantrana ataontsika. Koa velomy lalandava ny finoana mitafia fanatenana ary indrindra fitiavana eo amin’ny fiainana manontolo.
Ary tsarovy fa ho avy I Kristy, ka tokony omanina dieny izao mbola matanjaka izao ianao ny fiaviany, diovy ny fonao, mba hahafahany miditra ao, manaova ny marina, manaova ny soa sy ny tsara fa tsy mbol nisy olona nanao tsara ka manenina, mandehana amin’ny fitiavana sy mahitsy. Aza dia miandry andro lava aza manao ny apitso ho lava fa tsy misy mahalala izay iavian’ny Zanak’olona isika Izao . Koa omany isan’andro isan’ora ny fiaviany ao amintsika. Aza manjeny ny andro ho lava.
𝐌𝐀𝐍𝐃𝐀𝐋𝐎 𝐍𝐘 𝐅𝐈𝐀𝐈𝐍𝐀𝐍𝐀 𝐀𝐍𝐓𝐀𝐍𝐘
𝐀𝐓𝐀𝐎𝐕𝐘 𝐀𝐌𝐏𝐈𝐍𝐎𝐀𝐍𝐀 𝐒𝐘 𝐅𝐈𝐓𝐈𝐀𝐕𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐙𝐀𝐕𝐀𝐓𝐑𝐀 𝐑𝐄𝐇𝐄𝐓𝐑𝐀
𝐕𝐄𝐋𝐎𝐌𝐘 𝐀𝐎 𝐀𝐌𝐈𝐍𝐀𝐎 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐍𝐓𝐄𝐍𝐀𝐍𝐀.
𝐀𝐙𝐀 𝐌𝐀𝐍𝐉𝐄𝐍𝐘 𝐍𝐘 𝐀𝐍𝐃𝐑𝐎 𝐇𝐎 𝐋𝐀𝐕𝐀.
admin
Photo Credits: www.facebook.com